Bokin'i Isaia 59:4
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 15:35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Psalms 7:15Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
Psalms 62:4Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
Proverbs 4:16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
Isaiah 33:11Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
Isaiah 59:13Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.