Bokin'i Isaia 60:10
Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin’ ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 6:3Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran’ ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
Nehemiah 2:7Ary hoy koa aho tamin’ ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda,
Isaiah 12:1Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
Isaiah 49:23Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’ andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
Isaiah 54:8Tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
Isaiah 60:3Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao.