Bokin'i Isaia 60:15
Ho solon’ ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’ olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 1:7Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.
Isaiah 6:12Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin’ ny tany;
Isaiah 35:10Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isaiah 54:6Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
Isaiah 65:18Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’ i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
Jeremiah 33:11Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina ary ny feon’ izay manao hoe: Miderà an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.