Bokin'i Isaia 60:2
Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’ i Jehovah, ary aminao no isehoan’ ny voninahiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao.
Cross References
Leviticus 9:23Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr’ i Jehovah niseho tamin’ ny olona rehetra.
1 Kings 8:11ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tranon’ i Jehovah.
Isaiah 8:22Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.
Isaiah 62:1Tsy hangina Aho noho ny amin’ i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’ i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
Ezekiel 10:4Dia niakatra niala teo amin’ ny kerobima ny voninahitr’ i Jehovah ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Jehovah.
Haggai 2:7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.