Bokin'i Isaia 60:3
Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the Gentiles shall come to thy light, and kings to the brightness of thy rising.
In Context
Cross References
Genesis 49:10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psalms 68:29Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Psalms 102:16Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;
Psalms 138:4Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy.