Bokin'i Isaia 60:4
Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 11:12Dia hanangana faneva ho an’ ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ ny vazan-tany efatra.
Isaiah 42:6Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
Isaiah 49:17Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
Isaiah 49:20Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
Isaiah 66:12Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
Matthew 8:11Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;