Bokin'i Isaia 60:7
Ny ondry aman’ osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’ i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin’ ny fankasitrahana ho eo ambonin’ ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ ny voninahitro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ ny varavarankeliny?
Cross References
Genesis 25:13Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
Isaiah 21:16Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Ato anatin’ ny herintaona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’ i Kedara;
Isaiah 56:7Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masìna, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.
Ezekiel 27:21Arabia sy ireo andriandahin’ i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak’ ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
Haggai 2:7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Romans 15:16mba ho mpanompon’ i Kristy Jesosy ho an’ ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny itoriako ny filazantsaran’ Andriamanitra, mba horaisina amin’ ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ ny Fanahy Masìna.