Bokin'i Isaia 61:7
Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 21:17fa ny lahimatoa, zanak’ ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin’ izay rehetra ananany; fa voalohan’ ainy izy, ka azy ny fizokiana.
Job 42:10Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Isaiah 35:10Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isaiah 51:11Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isaiah 60:19Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
Zechariah 9:12Miverena ho amin’ ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.