Bokin'i Isaia 61:8
Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ ny faharatsiana; homeko ny valin’ asany amin’ ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 17:7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
2 Samuel 23:5Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
Psalms 25:8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Psalms 33:5Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany.
Psalms 45:7Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
Psalms 99:4Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.