The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 62 › Bokin'i Isaia 62:10

Bokin'i Isaia 62:10

Mivoaha, mivoaha amin’ ny vavahady, amboary ny lalana halehan’ ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ ny firenena.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Go through, go through the gates; prepare ye the way of the people; cast up, cast up the highways; gather out the stones; lift up a standard for the people.

In Context

9Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an’ i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin’ ny kianjako masìna.

11Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin’ i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.

Read all of Bokin'i Isaia 62

Cross References

Exodus 17:15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.

Isaiah 11:10Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.

Isaiah 11:16Ary hisy lalana voavoatra halehan’ ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an’ ny Isiraely tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.

Isaiah 35:8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.

Isaiah 40:3Injany! misy feon’ ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’ i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’ Andriamanitsika.

Isaiah 48:20Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 62:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 62:9Bokin'i Isaia 62Bokin'i Isaia 62:11 →