Bokin'i Isaia 62:4
Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 16:3Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.
Isaiah 32:14Fa ho foana ny lapan’ ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ ny ondry aman’ osy,
Isaiah 54:1Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
Isaiah 54:6Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Isaiah 62:12Ary Ireny hotononina hoe Firenena masìna, dia olona navotan’ i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.