Bokin'i Isaia 62:6
Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 32:26Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen’ i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
2 Chronicles 8:14Ary notendreny koa ny antokon’ ny mpisorona araka ny nandaharan’ i Davida rainy azy ho amin’ ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’ andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’ i Davida lehilahin’ Andriamanitra, azy.
Psalms 74:18Tsarovy izao: Manaratsy an’ i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
Song of Solomon 3:3Hitan’ ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ ny fanahiko iny?
Isaiah 43:26Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
Isaiah 56:10Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.