The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 63 › Bokin'i Isaia 63:11

Bokin'i Isaia 63:11

Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’ i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then he remembered the days of old, Moses, and his people, saying, Where is he that brought them up out of the sea with the shepherd of his flock? where is he that put his holy Spirit within him?

In Context

10Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.

12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,

Read all of Bokin'i Isaia 63

Cross References

Exodus 14:22Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.

Exodus 32:11Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?

Numbers 11:17Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

Numbers 11:29Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’ i Jehovah rehetra, ka halatsak’ i Jehovah aminy ny Fanahiny!

Deuteronomy 4:30Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;

Nehemiah 9:20Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin’ ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 63:11

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 63:10Bokin'i Isaia 63Bokin'i Isaia 63:12 →