Bokin'i Isaia 63:14
Tahaka ny fidinan’ ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ ny Fanahin’ i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 22:4Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.
2 Samuel 7:23Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an’ ny taninao teo anatrehan’ ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ ny firenen’ i Egypta sy ny andriamaniny?
Nehemiah 9:5Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin’ ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
Jeremiah 32:20dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin’ ny Isiraely, na ao amin’ ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Ephesians 1:6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
Hebrews 4:8Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’ izany.