Bokin'i Isaia 63:17
Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 2:30Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Psalms 74:1Maskila nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin’ ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
Psalms 90:13Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.
Psalms 119:36Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana.
Isaiah 6:10Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
Isaiah 29:13Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,