The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 63 › Bokin'i Isaia 63:18

Bokin'i Isaia 63:18

Vetivety foana no nananan’ ny olonao masìna ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masìna.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

The people of thy holiness have possessed it but a little while: our adversaries have trodden down thy sanctuary.

In Context

17Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.

19Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin’ ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra,

Read all of Bokin'i Isaia 63

Cross References

Exodus 19:4Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.

Deuteronomy 26:19sy hanandratany anao ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.

Psalms 79:1Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin’ ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masìna sady nanao an’ i Jerosalema ho korontam-bato.

Isaiah 64:9Tonga efitra ireo tanànanao masìna, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.

Isaiah 64:11Ary mbola mahatsindry fo amin’ izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?

Lamentations 4:1Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 63:18

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 63:17Bokin'i Isaia 63Bokin'i Isaia 63:19 →