Bokin'i Isaia 63:3
Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin’ ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
Cross References
2 Kings 9:33Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin’ ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin’ i Jeho izy.
Isaiah 25:10Fa hipetraka amin’ ity tendrombohitra ity ny tànan’ i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’ izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ ny rano ao am-pahitra;
Isaiah 63:6Nanitsaka firenena tamin’ ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin’ ny tany.
Ezekiel 38:18Ary amin’ izany andro izany, dia ny andro hihavian’ i Goga hamely ny tanin’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
Zechariah 10:5Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
Revelation 14:19Ary naroson’ ilay anjely tamin’ ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’ Andriamanitra.