Bokin'i Isaia 63:6
Nanitsaka firenena tamin’ ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 21:20Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.
Psalms 75:8Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
Isaiah 26:5Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ ny tany ka: azerany ho amin’ ny vovoka.
Isaiah 49:26Sady hampihinaniko ny nofon’ ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ ny ran’ ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
Isaiah 51:21Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
Jeremiah 25:16Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.