Bokin'i Isaia 63:8
Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For he said, Surely they are my people, children that will not lie: so he was their Saviour.
In Context
Cross References
Exodus 3:7Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
Exodus 6:7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.
Exodus 24:7Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
Deuteronomy 33:29Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
Psalms 78:36Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
Isaiah 12:2Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.