Bokin'i Isaia 64:5
Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 25:22Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Exodus 30:6Ary apetraho eo anoloan’ ny efitra izay manakona ny fiaran’ ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
Psalms 37:4Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.
Psalms 103:17Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka.
Isaiah 1:30Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
Isaiah 27:8Tamin’ ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin’ ny rivony mahery izy tamin’ ny andron’ ny rivotra avy any atsinanana.