Bokin'i Isaia 64:7
Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ ny tananao izahay rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 32:12Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ ny tany? Mialà amin’ ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin’ ny loza izay hanjo ny olonao.
Deuteronomy 32:19Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
Job 10:9Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!
Psalms 100:3Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.
Isaiah 27:5Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
Isaiah 50:2Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta.