Bokin'i Isaia 65:14
Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 66:4Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. [Sela.]
Isaiah 24:14Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan’ i Jehovah dia hiantso mafy eny amin’ ny ranomasina izy hoe:
Isaiah 52:8Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona.
Jeremiah 31:7Fa izao no lazain’ i Jehovah: Mihobia amin’ ny fifaliana noho ny amin’ i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ ny lohan’ ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ ny Isiraely.
Matthew 13:42dia hanipy azy any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Luke 13:28Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an’ i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.