The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 65 › Bokin'i Isaia 65:19

Bokin'i Isaia 65:19

Dia ho faly amin’ i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And I will rejoice in Jerusalem, and joy in my people: and the voice of weeping shall be no more heard in her, nor the voice of crying.

In Context

18Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’ i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.

20Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.

Read all of Bokin'i Isaia 65

Cross References

Psalms 144:14Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.

Isaiah 25:8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.

Isaiah 35:10Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

Isaiah 51:11Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

Isaiah 62:4Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.

Jeremiah 31:12Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ ny havoan’ i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ ny zava-tsoan’ i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ ondry ary ny zanak’ omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 65:19

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 65:18Bokin'i Isaia 65Bokin'i Isaia 65:20 →