Bokin'i Isaia 66:10
Miaraha mifaly amin’ i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 32:43Mihobia, ry jentilisa mbamin’ ny olony; Fa ny ran’ ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ ny taniny sy ny olony.
Psalms 84:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraïta.
Psalms 137:6Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ ny fifaliako rehetra.
Isaiah 61:2Hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah sy andro famalian’ Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
Ezekiel 9:4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
Romans 15:9mba hankalazan’ ny jentilisa an’ Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao.