The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 66 › Bokin'i Isaia 66:12

Bokin'i Isaia 66:12

Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For thus saith the LORD, Behold, I will extend peace to her like a river, and the glory of the Gentiles like a flowing stream: then shall ye suck, ye shall be borne upon her sides, and be dandled upon her knees.

In Context

11Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny voninahiny.

13Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.

Read all of Bokin'i Isaia 66

Cross References

Isaiah 9:7Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.

Isaiah 45:14Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.

Isaiah 49:19Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’ izany noho ny habetsahan’ ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.

Isaiah 60:4Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.

Isaiah 60:9Fa Izaho no andrasan’ ny nosy, ary ny sambon’ i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

Isaiah 61:6Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’ i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren’ ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 66:12

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 66:11Bokin'i Isaia 66Bokin'i Isaia 66:13 →