The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 66 › Bokin'i Isaia 66:14

Bokin'i Isaia 66:14

Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan’ i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin’ ny fahavalony kosa Izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when ye see this, your heart shall rejoice, and your bones shall flourish like an herb: and the hand of the LORD shall be known toward his servants, and his indignation toward his enemies.

In Context

13Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.

15Fa, indro, Jehovah ho avy amin’ ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin’ ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin’ ny lelafo.

Read all of Bokin'i Isaia 66

Cross References

Ezra 8:18Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,

Ezra 8:31Dia niala teo amin’ ny ony Ahava izahay tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan’ Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.

Proverbs 3:8Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.

Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!

Isaiah 58:11Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.

Isaiah 65:12Dia hotendreko ho voan’ ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 66:14

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 66:13Bokin'i Isaia 66Bokin'i Isaia 66:15 →