Bokin'i Isaia 66:18
Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 31:21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.
Psalms 67:2Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Psalms 86:9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isaiah 40:5Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.