Bokin'i Isaia 66:19
Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin’ ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin’ ny jentilisa izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 10:4Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
1 Chronicles 1:7Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita.
1 Chronicles 16:24Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
Isaiah 2:16Sy ny sambon’ i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
Isaiah 18:3Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
Isaiah 24:15Mankalazà an’ i Jehovah any amin’ ny tany atsinanana, dia ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin’ ny amoron-dranomasina.