Bokin'i Isaia 66:20
Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin’ ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’ i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masìna, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran’ ny Zanak’ Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin’ ny vilia madio ho any an-tranon’ i Jehovah;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Ary avy amin’ ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
Cross References
Numbers 7:62lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Isaiah 43:6Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
Isaiah 49:22Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
Isaiah 54:3Fa hitatra any amin’ ny ankavanana sy any amin’ ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
Isaiah 60:3Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao.
Isaiah 65:11Fa ny aminareo izay mahafoy an’ i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masìna, sady mamelatra latabatra ho an’ i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’ i Meny,