Bokin'i Isaia 66:24
Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon’ ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 58:10Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
Isaiah 14:11Efa navarina ho etỳ amin’ ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
Isaiah 48:22Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
Isaiah 66:16Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’ i Jehovah hifandahatra amin’ ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan’ i Jehovah.
Daniel 12:2Ary maro amin’ izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
Zechariah 14:18Ary raha ny firenen’ i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan’ i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.