The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 66 › Bokin'i Isaia 66:4

Bokin'i Isaia 66:4

Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

I also will choose their delusions, and will bring their fears upon them; because when I called, none did answer; when I spake, they did not hear: but they did evil before mine eyes, and chose that in which I delighted not.

In Context

3Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’ alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ ireny ny halehany, Sy ny nifalian’ ny fanahiny tamin’ ny fahavetavetany,

5Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.

Read all of Bokin'i Isaia 66

Cross References

2 Kings 21:2Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.

Psalms 81:12Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;

Proverbs 1:31Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.

Isaiah 50:2Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta.

Isaiah 65:2Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin’ ny firenena miodina, izay mandeha amin’ ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,

Isaiah 65:12Dia hotendreko ho voan’ ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 66:4

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 66:3Bokin'i Isaia 66Bokin'i Isaia 66:5 →