Bokin'i Isaia 7:3
Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 7:15Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy; dia mijanona eo amoron’ i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao),
2 Kings 18:17Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Isaiah 6:13Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masìna ho fotony.
Isaiah 22:10Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
Isaiah 36:2Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Jeremiah 19:2dia mivoaha ho any amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izay eo anoloan’ ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,