Bokin'i Isaia 7:4
ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’ i Remalia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’ i Remalia ka nanao hoe:
Cross References
Deuteronomy 20:3Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
2 Kings 15:27Tamin’ ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
2 Chronicles 20:17Tsy ianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
Isaiah 7:8Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
Isaiah 8:6Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,
Isaiah 10:24Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin’ ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;