Bokin'i Isaia 7:6
Andeha isika hananika an’ i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’ i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’ i Remalia ka nanao hoe:
7Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
Cross References
1 Kings 12:16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
2 Chronicles 13:8Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan’ i Jehovah, izay eo an-tànan’ ny taranak’ i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’ i Jeroboama ho andriamanitrareo.
2 Chronicles 28:5Koa dia natolotr’ i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
Psalms 83:3Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
Isaiah 8:6Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,