Bokin'i Isaia 8:11
Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 32:8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
Jeremiah 15:19Koa izao no lazain’ i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin’ ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,
Jeremiah 20:9Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin’ ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
Ezekiel 2:8Fa ianao kosa, ry zanak’ olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
Acts 4:20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.