Bokin'i Isaia 8:9
Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 20:11Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikìna tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
Proverbs 11:21Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
Isaiah 14:5Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan’ ny mpanapaka,
Isaiah 28:13Ary ny tenin’ i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
Isaiah 54:15Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa.
Jeremiah 46:4Fehezo amin’ ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.