Bokin'i Isaia 9:18
Noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia efa maintin’ ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 11:1Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’ i Jehovah ny olona, ary nony ren’ i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon’ i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin’ ny toby.
1 Kings 16:21Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.
Psalms 37:20Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’ i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
Isaiah 1:31Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
Isaiah 5:24Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Isaiah 27:4Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!