Epistily nosoratan'i Jakoba 1:15
Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.
16Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 1
Cross References
Genesis 2:17fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
Genesis 3:17Ary hoy koa Izy tamin’ i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao.
Job 15:35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Psalms 9:17Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy.
Micah 2:1Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
Matthew 26:48Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.