Epistily nosoratan'i Jakoba 1:18
Tamin’ ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 1
Cross References
Jeremiah 2:3Masìna ho an’ i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin’ ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
John 1:13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.
Romans 4:17araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao ― teo anatrehan’ izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
Romans 9:15Fa hoy Izy tamin’ i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
Ephesians 1:12mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’ i Kristy rahateo.
Colossians 1:20sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.