Epistily nosoratan'i Jakoba 2:6
Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’ ny fitsarana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But ye have despised the poor. Do not rich men oppress you, and draw you before the judgment seats?
In Context
7Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 2
Cross References
Job 20:19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
Psalms 10:8Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
Psalms 10:14Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
Psalms 14:6Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony.
Proverbs 17:5Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
Ecclesiastes 5:8Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian’ ny mpanjaka amin’ izay tany volena.