Epistily nosoratan'i Jakoba 5:16
Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 5
Cross References
Genesis 18:23Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin’ ny meloka va ny marina?
Genesis 20:7Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra mety ho anao.
Genesis 32:28Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
Exodus 9:28Mangataha amin’ i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.
Exodus 17:11Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
Numbers 11:2Dia nitaraina tamin’ i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin’ i Jehovah, dia maty ny afo.