Epistily nosoratan'i Jakoba 5:20
aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ ny lalan’ ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 5
Cross References
Proverbs 10:2Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
Proverbs 11:4Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
John 5:24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy.
1 Corinthians 9:22tamin’ ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
Philemon 1:19izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
James 5:19Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,