Bokin'i Jeremia 1:14
Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 41:25Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
Jeremiah 6:1Hianareo, zanak’ i Benjamina, mandosira faingana hiala an’ i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan’ afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
Jeremiah 10:22Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin’ ny fihorakorahana be avy any amin’ ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan’ ny Joda ho lao sy ho fonenan’ ny amboadia.
Jeremiah 31:8Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Jeremiah 50:9Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’ i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.
Ezekiel 1:4Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin’ ny afo dia nisy toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.