Bokin'i Jeremia 10:18
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’ antsamotady ny mponina amin’ ny tany, ary hataoko terỳ izy mba hahitany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Angony ny korontan’ entanao, ka ento hiala amin’ ny tany, ry ilay mipetraka ao amin’ ny haterena!
Read all of Bokin'i Jeremia 10
Cross References
1 Samuel 25:29Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin’ ny fehin’ aina ao amin’ i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ ny tompoko, fa ny fanahin’ ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ ny foitran’ antsamotady.
Jeremiah 15:1Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
Jeremiah 23:20Ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
Zechariah 1:6Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.