Bokin'i Jeremia 10:2
Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’ ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely!
Read all of Bokin'i Jeremia 10
Cross References
Leviticus 18:3Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
Deuteronomy 12:30dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
Isaiah 47:12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Luke 21:25Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany,