Bokin'i Jeremia 10:7
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ ny firenena! Fa Hianao no iendrehan’ izany, eny, amin’ ny hendry rehetra amin’ ny firenena sy amin’ ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao.
8Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
Read all of Bokin'i Jeremia 10
Cross References
Joshua 4:24mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa mahery ny tànan’ i Jehovah, ary mba hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
1 Chronicles 16:25Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ ny andriamanitra rehetra.
Psalms 22:28Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.
Psalms 72:11Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
Psalms 86:8Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
Psalms 89:6Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.