Bokin'i Jeremia 11:7
Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 11
Cross References
Exodus 23:21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
Deuteronomy 5:29Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
Deuteronomy 8:6Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny lalany sy hatahoranao Azy.
Deuteronomy 11:26Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
Deuteronomy 28:1Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
1 Samuel 8:9Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminy.