Bokin'i Jeremia 13:16
Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
Read all of Bokin'i Jeremia 13
Cross References
Joshua 7:19Dia hoy Josoa tamin’ i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
Psalms 29:2Omeo an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna.
Psalms 96:7Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
Ecclesiastes 11:8fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
Isaiah 5:30Ary hirohondrohona aminy amin’ izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon’ ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin’ ny rahona.
Isaiah 59:9Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ ny aizim-pito ihany no andehanantsika.