Bokin'i Jeremia 15:2
Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra, ary izay ho amin’ ny mosary dia ho amin’ ny mosary, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 15
Cross References
Isaiah 24:18Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin’ ny lavaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin’ ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan’ ny tany.
Jeremiah 16:4Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Jeremiah 43:11Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra.
Ezekiel 5:12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
Daniel 9:12Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin’ ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
Zechariah 11:9Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy.