Bokin'i Jeremia 16:10
Ary raha ambaranao amin’ ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin’ i Jehovah Andriamanitray?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 16
Cross References
1 Kings 9:8ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
Jeremiah 2:35Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
Jeremiah 9:11Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan’ ny vavan’ i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
Jeremiah 22:8Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin’ ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin’ ity tanàna lehibe ity?
Hosea 12:8Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.